<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>628</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Mpamonjy olom-bery !
 Ry Jesosy tia anay !
 Izahay tsy manan-kery
 Tsy mba hendry, tsy
 mahay,
 // Koa Hianao irery
 No mba iankinanay //

[V2]
 Ry Mpamonjy be fitia !
 Aza ilaozanao izahay ;
 Ry Jesosy ô ! avia,
 Hianao no tanjakay !
 // Miarova, manampia,
 Be ny fahavalonay //

[V3]
 Ry Mpamonjy ! mitantàna
 izao mpanomponao izao ;
 Be tokoa ny fikasana
 Ta-hanao ny sitrakao
 // Nefa be ny fahosana
 Momba ny mpanomponao //

[V4]
 Ry Mpamonjy, Jeso tia !
 Mivimbina, mamonje ;
 Ry Mahery, manampia !
 Miambena, mijere ;
 Miarova, mitariha,
 Ry Sakaiza lehibe !</lyrics>
<title>Ry Mpamonjy olom-bery! FFPM628</title>
<author>P.P. Bliss</author>
</song>